Wikipedia

Wikipedia
Detail of  Wikipedia's multilingual portal. Here, the project's largest fiteny editions are shown.
URL http://www.wikipedia.org/
Dokam-barotra ve? No.
Mahatompony
Karazana tranokala Online encyclopedia
Fisoratana
Tompony Wikimedia Foundation
Noforonon'ny Jimmy Wales sy Larry Sanger

Wikipedia (avy amin'ny teny hawaiianina: wiki; ) dia tranonkala iraisam-pirenena Web azo ampiasaina maimaimpoana. Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny sehatra (website) Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoe Wikipedia dia fitambaran'ny teny roa wiki sy encyclopedia. Wikipedia dia nosoratan'ny olona izay te-hanampy tsy noterena na nokaramaina.

Tantara

Ny niantombohan'i Wikipedia dia tetikasa famenon'i Nupedia, raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Ny 9 martsa 2000 no niorina i Nupedia, ary kaompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray:"Bomis, Inc" no tompony. I Jimmy Wales, lehiben'i Bomis sy i Larry Sanger, tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'i Nupedia, sy i Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa an'i Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery ary miezaka ho tsotra noho izy mihevitra ho an'ny sarambaben'ny olona ary mivelatra amin'ny lafiny sy sokajin'olona maro. [1] Fony tamin'ny andron'i Nupedia, dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matihanina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra. [1] Fahazoan-dàlana manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra an'i Nupedia, fa novaina ho GFDL talohan'ny nanorenana an'i Wikipedia araka ny torohevitr'i Richard Stallman.

Ny 10 janoary 2001, nanolo-kevitra hampiasa wiki teo amin'i Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":

Tsia, tsy soson-kevitra tsy mendrika akory ity. Misy hevitra hanampy zavatra kely amin'i Nupedia. Inoan'i Jimmy Wales fa maro no mety hitsipaka ny hevitra, saingy izaho kosa tsy mino. (…) Ny fampiasan'i Nupedia wiki no HANY fomba tsotra sy malalaka hanovana ny votoatiny. Efa naelinay tsikelikely ny hevitra hitady tetikasa tsotra sy malalaka kokoa hanoloana na hisolo toerana an'i Nupedia. Amiko dia ny wikis no azo mora foronina indrindra sady vetivety, tsy dia mila fanamboarana loatra sady kely risika indrindra. Raha arak'izay hitako dia io no fomba kely lafy ratsiny indrindra, sady loharano lehibe ho an'ny votoatiny.

(Dikan-teny malalaka; "Let's make a wiki":

No, this is not an indecent proposal. It's an idea to add a little feature to Nupedia. Jimmy Wales thinks that many people might find the idea objectionable, but I think not. (…) As to Nupedia's use of a wiki, this is the ULTIMATE "open" and simple format for developing content. We have occasionally bandied about ideas for simpler, more open projects to either replace or supplement Nupedia. It seems to me wikis can be implemented practically instantly, need very little maintenance, and in general are very low-risk. They're also a potentially great source for content. So there's little downside, as far as I can determine. [2]

)

Nampilaza tamin'ny mailaka fampitana i Sanger momba ny fisokafan'i Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy ny 15 janoary http://www.wikipedia.com, ary mbola ny teny anglisy no teny tokana nampiasainy. [3] Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'i Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'i Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'i Nupedia anefa ny fomba fivoatrany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'i Nupedia intsony izy. [4] Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika "neutral point-of-view" na fijery tsy mitanila, na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'i Nupedia aza. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'i Nupedia i Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa ary teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 ny faran'ny taona 2004. [5] Niara-nisy ny Nupedia sy Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'i Wikipedia.

Wikipedia anglisy tamin'ny 30 martsa 2001, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.

Raha arak'i Wales sy Sanger, dia en:Portland Pattern Repository na WikiWikiWeb an'i en:Ward Cunningham no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'i Bomis ny ambangovangony momba azy io, ny volana desambra 2000, [6] nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz [4] ny volana janoary 2001 vaoo natolony an'i Wales ny hevitra hampiasana wiki amin'i Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'i Wikipedia. Niara-nisy tamin'i Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary i Richard Stallman, fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy izay mpamorona an'i GNUpedia no nitondra ny anjara-birikiny tamin'i Wikipedia. [7]

Naneho ny fiahiahiany ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasa Enciclopedia Libre izay niainga avy amin'i Wikipedia ny volana febroary 2002. Io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'i wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'i Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (neutral point-of-view) mba ahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "sympathetic point-of-view".

Niforona avy amin'i Wikipedia sy Nupedia ny 20 jiona 2003 ny Wikimedia Foundation. [8] Taorian'izay dia niasa tao anatin'io fikambanana tsy itadiavam-bola io i Wikipedia sy ireo tetikasa rahavavy. "In Memoriam: September 11 Wiki" no tetikasa rahavavin'i Wikipedia niseho voalohany, niforona ny volana oktobra 2002 hitantarana amin'ny antsipirihany ny fanafihana an'i Etazonia tamin'ny 11 septambra; [9] Natomboka ny volana desambra 2002 ny tetikasa rakibolana Wiktionary na Wikibolana; herinandro taorian'izay i Wikiquote, tahirina quotations; ary iray volana taty aoriana i Wikibooks, angona boky maimaim-poana. Avy eo dia maro ny tetikasa hafa natomboka izay hita etsy ambany ny antsipiriany.

Other Languages
Qafár af: Wikipedia
Аҧсшәа: Авикипедиа
Acèh: Wikipèdia
адыгабзэ: Википедие
Afrikaans: Wikipedia
Akan: Wikipedia
Alemannisch: Wikipedia
አማርኛ: ውክፔዲያ
aragonés: Biquipedia
Ænglisc: Wikipǣdia
العربية: ويكيبيديا
ܐܪܡܝܐ: ܘܝܩܝܦܕܝܐ
অসমীয়া: ৱিকিপিডিয়া
asturianu: Wikipedia
Atikamekw: Wikipetcia
Aymar aru: Wikipidiya
azərbaycanca: Vikipediya
تۆرکجه: ویکی‌پدیا
башҡортса: Википедия
Boarisch: Wikipedia
žemaitėška: Vikipedėjė
Bikol Central: Wikipidya
беларуская: Вікіпедыя
беларуская (тарашкевіца)‎: Вікіпэдыя
български: Уикипедия
भोजपुरी: विकिपीडिया
Bislama: Wikipedia
Bahasa Banjar: Wikipidia
bamanankan: Wikipedi
বিষ্ণুপ্রিয়া মণিপুরী: উইকিপিডিয়া
brezhoneg: Wikipedia
bosanski: Wikipedia
ᨅᨔ ᨕᨘᨁᨗ: Wikipedia
буряад: Википеэди
català: Viquipèdia
Chavacano de Zamboanga: Wikipedia
Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄: Wikipedia
нохчийн: Википеди
Cebuano: Wikipedya
Chamoru: Wikipedia
ᏣᎳᎩ: ᏫᎩᏇᏗᏯ
Tsetsêhestâhese: Vekepete'a
کوردی: ویکیپیدیا
corsu: Wikipedia
qırımtatarca: Vikipediya
čeština: Wikipedie
kaszëbsczi: Wikipedijô
словѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟ: Википєдїꙗ
Чӑвашла: Википеди
Cymraeg: Wikipedia
dansk: Wikipedia
Deutsch: Wikipedia
Zazaki: Wikipediya
dolnoserbski: Wikipedija
डोटेली: विकिपिडिया
ދިވެހިބަސް: ވިކިޕީޑިޔާ
Ελληνικά: Βικιπαίδεια
emiliàn e rumagnòl: Wikipedia
English: Wikipedia
Esperanto: Vikipedio
español: Wikipedia
eesti: Vikipeedia
euskara: Wikipedia
estremeñu: Wikipedia
Fulfulde: Wikipeediya
suomi: Wikipedia
føroyskt: Wikipedia
français: Wikipédia
arpetan: Vouiquipèdia
Nordfriisk: Wikipedia
furlan: Vichipedie
Frysk: Wikipedy
Gaeilge: Vicipéid
Gagauz: Vikipediya
贛語: 維基百科
Gàidhlig: Uicipeid
galego: Wikipedia
گیلکی: ويکيپديا
Avañe'ẽ: Vikipetã
गोंयची कोंकणी / Gõychi Konknni: Wikipidia
ગુજરાતી: વિકિપીડિયા
Gaelg: Wikipedia
Hausa: Wikipedia
客家語/Hak-kâ-ngî: Wikipedia
Hawaiʻi: Wikipikia
עברית: ויקיפדיה
हिन्दी: विकिपीडिया
hrvatski: Wikipedija
hornjoserbsce: Wikipedija
Kreyòl ayisyen: Wikipedya
magyar: Wikipédia
Հայերեն: Վիքիպեդիա
interlingua: Wikipedia
Bahasa Indonesia: Wikipedia
Interlingue: Wikipedia
Igbo: Wikipedia
Iñupiak: Uiqipitia
Ilokano: Wikipedia
íslenska: Wikipedia
italiano: Wikipedia
ᐃᓄᒃᑎᑐᑦ/inuktitut: ᐅᐃᑭᐱᑎᐊ
Patois: Wikipidia
la .lojban.: uikipidias
Basa Jawa: Wikipédia
ქართული: ვიკიპედია
Qaraqalpaqsha: Wikipedia
Taqbaylit: Wikipedia
Kabɩyɛ: Wikipediya
Gĩkũyũ: Wikipedia
қазақша: Уикипедия
kalaallisut: Wikipedia
ភាសាខ្មែរ: វិគីភីឌា
한국어: 위키백과
Перем Коми: Википедия
къарачай-малкъар: Википедия
कॉशुर / کٲشُر: ویکیپیٖڈیا
Ripoarisch: Wikipedia
Kurdî: Wîkîpediya
kernowek: Wikipedya
Кыргызча: Уикипедия
Latina: Vicipaedia
Ladino: Vikipedya
Lëtzebuergesch: Wikipedia
лакку: Википедия
лезги: Википедия
Luganda: Wikipedia
Limburgs: Wikipedia
Ligure: Wikipedia
lumbaart: Wikipedia
lingála: Wikipedia
لۊری شومالی: ویکی پدیا
lietuvių: Vikipedija
latgaļu: Vikipedeja
latviešu: Vikipēdija
मैथिली: विकिपिडिया
Basa Banyumasan: Wikipedia
мокшень: Википедие
олык марий: Википедий
Māori: Wikipedia
Baso Minangkabau: Wikipedia
македонски: Википедија
монгол: Википедиа
молдовеняскэ: Википедия
кырык мары: Википеди
Bahasa Melayu: Wikipedia
Malti: Wikipedija
Mirandés: Wikipedia
မြန်မာဘာသာ: ဝီကီပီးဒီးယား
مازِرونی: ویکی‌پدیا
Dorerin Naoero: Wikipediya
Nāhuatl: Huiquipedia
Napulitano: Wikipedia
Plattdüütsch: Wikipedia
Nedersaksies: Wikipedie
नेपाली: विकिपिडिया
नेपाल भाषा: विकिपिडिया
Oshiwambo: Wikipedia
Nederlands: Wikipedia
norsk nynorsk: Wikipedia
norsk: Wikipedia
Novial: Wikipedie
Nouormand: Viqùipédie
Sesotho sa Leboa: Wikipedia
occitan: Wikipèdia
Livvinkarjala: Wikipedii
ਪੰਜਾਬੀ: ਵਿਕੀਪੀਡੀਆ
Pangasinan: Wikipedia
Kapampangan: Wikipedia
Papiamentu: Wikipedia
Picard: Wikipédia
Deitsch: Wikipedia
Pälzisch: Wikipedia
Norfuk / Pitkern: Wikkapedya
polski: Wikipedia
Piemontèis: Wikipedia
پنجابی: وکیپیڈیا
Ποντιακά: Βικιπαίδεια
português: Wikipédia
Runa Simi: Wikipidiya
rumantsch: Vichipedia
Romani: Vikipidiya
română: Wikipedia
armãneashti: Wikipedia
tarandíne: Uicchipèdie
русский: Википедия
русиньскый: Вікіпедія
संस्कृतम्: विकिपीडिया
саха тыла: Бикипиэдьийэ
sardu: Wikipedia
sicilianu: Wikipedia
Scots: Wikipaedia
davvisámegiella: Wikipedia
srpskohrvatski / српскохрватски: Wikipedia
Simple English: Wikipedia
slovenčina: Wikipédia
slovenščina: Wikipedija
Gagana Samoa: Wikipedia
chiShona: Wikipedhiya
Soomaaliga: Wikipedia
shqip: Wikipedia
српски / srpski: Википедија
Sranantongo: Wikipedia
SiSwati: Wikipedia
Seeltersk: Wikipedia
Basa Sunda: Wikipédia
svenska: Wikipedia
Kiswahili: Wikipedia
ślůnski: Wikipedyjo
తెలుగు: వికీపీడియా
tetun: Wikipédia
тоҷикӣ: Википедия
ትግርኛ: ዊኪፔዲያ
Türkmençe: Wikipediýa
Tagalog: Wikipedia
Setswana: Wikipedia
Tok Pisin: Wikipedia
Türkçe: Vikipedi
Xitsonga: Wikipediya
татарча/tatarça: Википедия
reo tahiti: Vitipetia
тыва дыл: Википедия
удмурт: Википедия
ئۇيغۇرچە / Uyghurche: ۋىكىپېدىيە
українська: Вікіпедія
oʻzbekcha/ўзбекча: Vikipediya
Tshivenda: Wikipedia
vèneto: Wikipedia
vepsän kel’: Vikipedii
Tiếng Việt: Wikipedia
West-Vlams: Wikipedia
Volapük: Vükiped
walon: Wikipedia
Winaray: Wikipedia
Wolof: Wikipedia
吴语: 维基百科
хальмг: Бикипеди
isiXhosa: Iwikipedia
მარგალური: ვიკიპედია
ייִדיש: וויקיפעדיע
Yorùbá: Wikipedia
Vahcuengh: Veizgiek Bakgoh
Zeêuws: Wikipedia
中文: 维基百科
文言: 維基大典
Bân-lâm-gú: Wikipedia
粵語: 維基百科
isiZulu: Wikipedia