Tetiandro miozolmana

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo.

Other Languages
العربية: تقويم هجري
azərbaycanca: Hicri təqvim
беларуская (тарашкевіца)‎: Мусульманскі каляндар
Esperanto: Islama kalendaro
हिन्दी: हिजरी
interlingua: Calendario islamic
Bahasa Indonesia: Kalender Hijriyah
日本語: ヒジュラ暦
한국어: 이슬람력
कॉशुर / کٲشُر: اِسلامی تَقويٖم
македонски: Исламски календар
Bahasa Melayu: Takwim Hijrah
norsk nynorsk: Muslimsk tidsrekning
srpskohrvatski / српскохрватски: Islamski kalendar
Simple English: Islamic calendar
slovenčina: Islamský kalendár
slovenščina: Islamski koledar
српски / srpski: Исламски календар
Basa Sunda: Kalénder Islam
Türkçe: Hicrî takvim
татарча/tatarça: Һиҗри тәкъвим
ئۇيغۇرچە / Uyghurche: ھىجرىيە تەقۋىمى
oʻzbekcha/ўзбекча: Islomiy taqvim
Tiếng Việt: Lịch Hồi giáo
吴语: 伊斯兰历
中文: 伊斯兰历
Bân-lâm-gú: Islam Le̍k-hoat
粵語: 回曆