Fiteny espaniôla

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka fiteny ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Espaniola, Espaniôla, Española
Español

Isan'ny mpitenymahery ny 400 tapitrisa
FaritanyFlag of Spain.svg Espaina, Amerika Latina (afatsy Brazila)
SataTeny ofisialin'ny FM
Manga : firenena miteny espaniola (teny ofisialy)
Manga mazava : firenena na faritany misy olona miteny espaniola, fa tsy ofisialy any ilay teny

Ny fiteny espaniôla, na koa fiteny kastilianina, dia fiteny iray ao Eoropa. Io fiteny io dia ao amin’ny vondrona rômana, ao amin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina. Miaraka amin’ny fiteny frantsay sy italianina ary pôrtogey, io fiteny io no anisan’ny fiteny nisampana avy amin'ny fiteny latina, fiteny taloha nampiasaina manerana an’i Eoropa sy i Azia Andrefana amin'ny fifandraisana.

Ny fiteny espaniola dia avy amin’ny fiteny latina, ary niavaka tamin’ilay fiteny latina ny fiteny espaniola taloha nanomboka tamin’ny taonjato faha-9, noho ny havitsian’ny fifandraisana tamin’ny taona afovoany. Ao amin’ny faritra afovoan’i Espaina no niavian’ny fiteny kastilianina ankehitriny. Ary tsy io irery no fiteny notenenina ao amin’ny Saikanosy Iberika nanomboka tamin’ny fisarahany tamin’ny fiteny latina hatramin’izao fotoana izao: ao ny fiteny pôrtogey, izay tenenina any Pôrtogaly ary any Brazila, ao ny fiteny katalàna, izay tenenina any Katalonia, manan-drenivohitra an'i Barselona, ao ny fiteny eoskarata izay tenenina any amin’ny farany andrefan’ny Pirenea, ao koa ny fiteny galisiana izay anisan’ny fiteny niavian’ny fiteny pôrtogey any Galisia.

Ankehitriny ny fiteny espaniola dia anisan’ny teny ofisialin’ny Firenena Mikambana miaraka amin’ny fiteny frantsay, anglisy, sinoa ary rosiana. Any ivelan’i Espaina, io no teny ofisialin’ireo firenena ao Amerika Afovoany ary amin’ny faritra andrefan’i Amerika Atsimo. Ny isan’ny mpiteny espaniola manerana izao tontolo izao, raha isaina ireo olona mianatra azy fa tsy nobeazina tamin’ny ilay fiteny dia eo amin’ny 600 tapitrisa eo ho eo no isan’ireo olona mahazo azy na miteny azy.

Tantara

Sarintan'ireo fiteny notenenina tao amin'ny tanjona Iberika nanomboka tamin'ny taonjato faha 11 hatramin'izao fotoana izao.

Ny fiteny espaniola dia fiteny rômana, izany hoe fiteny avy amin’ny fiteny latina fampiasan’ny vahoaka (latina: sermo vulgaris latinus) tamin’ny taonan’ny Fanjakambe rômana. Ny fiteny latina fampiasan’ny daholobe dia somary samihafa amin’ny fiteny latina an-tsoratra noho izy moramora kokoa.

Ny fiteny espaniola taloha izany dia avy amin’io fiteny fampiasan’ny vahoaka io, ary nanomboka niavaka tamin’ny fiteny latina nanomboka tamin’ny taonjato faha-8 sy ny taonjato faha-9. Tsy io irery no fiteny vokatr’ilay fiavahana, fa efatra, dia ny fiteny kastilianina (fiteny espaniola ofisialy ankehitriny), ny fiteny katalàna (any atsinanan’ny Pirenea), ny fiteny aragoney izay eo amin’ny faritra misy an’i Zaragoza ankehitriny, ny fiteny leoney (ao amin’ny faritra afovoan’i Kantabrika), sy ny fiteny galisianina (any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Saikanosy Iberika, niteraka ny fiteny pôrtogey taty aoriana).

Ireo fiteny avy amin’ny fiteny latina fampiasan’ny vahoaka ireo dia nipoitra tao amin’ny faritra avaratr’i Espaina ankehitriny. Ny faritra afovoany ary ny faritra atsimon’i Espaina tamin’izany fotoana izany dia nozanahan’ireo Maoro, mponina mozilmana tonga avy any Afrika Avaratra tao Espaina, ary ny fiteny nampiasaina tao amin’ny faritra mozilmana tao Espaina tamin’izany fotoana izany dia ny fiteny mozarabo, fiteny avy amin’ny fiteny latina ihany koa fa be voambolana avy amin’ny fiteny arabo ary soratana amin’ny alalan’ny abidy arabo. Tsy misy intsony ny mpiteny mozarabo ankehitriny ao Espaina ao.

Nandritra ny Reconquista espaniola ary noho ny "toerana malalaka" navelan’ireo mpiteny mozarabo sy ny fiteny arabo tao amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Espaina, dia nandroso nianatsimo ireo fiteny latina an’ireo mponina kristianina izay tany amin’ny farany avaratr’i Espaina: Naka ny toerany ankehitriny ny fiteny kastilana, katalana, aragoney ary galisiana (fiteny niavian’ny fiteny pôrtogey). Nandritra ny taon-jato faha-14 hatramin’izao fotoana izao, mihamitombo ny tsindrin’ny fiteny kastilianina amin’ny fiteny hafa, afa-tsy ao Pôrtogaly, nivadika ho Fanjakana mizaka-tena tamin’ny taonjato faha-10.

Nandritra ny taonjato faha-16 hatramin’ny taonjato faha-18, noho ny fahitan-dehibe sy ny fanjanahana an’i Amerika Latina ankehitriny, dia lasa fiteny fampiasa any ampitan-dranomasina ny fiteny kastilianina. Ary izay no tena nahatonga azy ho anisan’ny fiteny fampiasa indrindra any Amerika ary manerana izao tontolo izao ary anisan’ny teny ofisialin’ny Firenena Mikambana.

Antsoina hoe fiteny kastilianina taloha ny fiteny kastilianina nialoha ny taonjato faha-15; aorian’izany, fiteny espaniola tsotra izao no fiantsoana ilay fiteny, na fiteny kastilianina ankehitriny. Mifanakaiky ireo endrika ireo ary ny fampiasana ny renifeo fotsiny no mahasamihafa azy ireo, satria betsaka ny fiovana natao mahakasika ny renifeo tamin’ny taonjato faha-15.

Endrika

Ny fiteny espaniola dia fiteny misimisy fitovizana amin’ny fiteny frantsay sy ny fiteny italianina, noho izy ireo avy amina fiteny iray. Sarotra ny fifankahazoana rehefa Espaniola sy Frantsay no miresaka, noho ny lalam-pivoarana tsy mitovy, an-tsoratra izy ireo no mety mifankahazo noho ny fiteny frantsay nitazona ny tsipeliny somary "antitra"; manakaiky ny fiteny italianina ny fiteny espaniola, na am-bava na an-tsoratra, ary mety mifankahazo ny mpiteny italianina sy ny mpiteny espaniola. Misy koa ny fifankahazoana amin’ireo mpiteny portogey, an-tsoratra sy am-bava, na dia sarotsarotra kokoa aza izany.

Mitazona ny fivoarana entin’ny fiteny latina fampiasan’ny vahoaka ny fiteny espaniola, izany hoe tsy fisian’ireo endrika araka anjara asa, tsy fisian’ny halavan-janapeo, ary tsy fisian’ireo matoanteny tsy amin'ny fiendrika mañano.

Ny fivoaran’ny fiteny espaniola dia :

  • Fivadihan'ireo zanapeo fohy manan-tsindrimpeo ho zanapeo sosona (ĕie ; ŏue).
  • Fivadihan'ireo renifeo miverina indroa ho renifeo andilany (nnñ ; llll /ʎ/).
  • Fanjavonan’ny zanapeo fohy ary fivadihan'ny f- ho h- (fabŭlāre → hablar).
  • Fampiasana zanapeo dimy (a, e, i, o ary u).

Voambolana

Ny voambolan’ny fiteny espaniola dia avy amin’ny fiteny latina. Noho ny fanjanahantany arabo nandritry ny arivotaona iray manontolo anefa dia betsaka ireo voambolana avy amin’ny fiteny arabo (teny nindramina maherin'ny 4 000).

Fanoratana

Tahaka ireo fiteny rômana avy amin’ny fiteny latina fampiasan’ny vahoaka, ny abidy latina no ampiasain’ny fiteny espaniola miampy mari-tsoratra ho an’ny tsindrim-peo tsy manara-pitsipika. Ny mahatokana ny fiteny espaniola dia ireo digrama (renifeo roa mikambana) ch sy ll atao ho litera manokana manaraka ny c sy ny l. Taorian’ny fiovana tamin’ny 2010 ireo litera ireo no tsy atao litera manokana intsony.

Jereo koa

Other Languages
адыгабзэ: Испаныбзэ
Afrikaans: Spaans
Akan: Spanish
Alemannisch: Spanische Sprache
አማርኛ: እስፓንኛ
Aymar aru: Kastilla aru
azərbaycanca: İspan dili
башҡортса: Испан теле
žemaitėška: Ispanu kalba
Bikol Central: Tataramon na Espanyol
беларуская: Іспанская мова
беларуская (тарашкевіца)‎: Гішпанская мова
български: Испански език
भोजपुरी: स्पेनिश भाषा
bamanankan: Espankan
བོད་ཡིག: སེ་པན་སྐད།
বিষ্ণুপ্রিয়া মণিপুরী: স্প্যানিশ ঠার
brezhoneg: Spagnoleg
bosanski: Španski jezik
ᨅᨔ ᨕᨘᨁᨗ: ᨅᨔ ᨔᨄᨎᨚᨒ
català: Castellà
Chavacano de Zamboanga: Lengua Español
Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄: Să̤-băng-ngà-ngṳ̄
Cebuano: Kinatsila
Chamoru: Españót
qırımtatarca: İspan tili
čeština: Španělština
kaszëbsczi: Szpańsczi jãzëk
словѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟ: Їспанїискъ ѩꙁꙑкъ
Чӑвашла: Испан чĕлхи
Cymraeg: Sbaeneg
Zazaki: İspanyolki
dolnoserbski: Špańšćina
ދިވެހިބަސް: އިސްޕެނިޝް
eʋegbe: Spangbe
emiliàn e rumagnòl: Spagnôl
Esperanto: Hispana lingvo
español: Idioma español
euskara: Gaztelania
estremeñu: Luenga castellana
føroyskt: Spanskt mál
français: Espagnol
arpetan: Castilyan
Nordfriisk: Spoonsk spriak
Frysk: Spaansk
Gaeilge: An Spáinnis
Gagauz: İspan dili
贛語: 西班牙語
kriyòl gwiyannen: Èspangnòl
Gàidhlig: Spàinntis
Avañe'ẽ: Karaiñe'ẽ
ગુજરાતી: સ્પેનિશ ભાષા
Gaelg: Spaainish
客家語/Hak-kâ-ngî: Sî-pân-ngà-ngî
עברית: ספרדית
Fiji Hindi: Spanish bhasa
hornjoserbsce: Španišćina
Kreyòl ayisyen: Lang panyòl
հայերեն: Իսպաներեն
interlingua: Lingua espaniol
Bahasa Indonesia: Bahasa Spanyol
Interlingue: Hispan
ГӀалгӀай: ХIиспаной мотт
íslenska: Spænska
italiano: Lingua spagnola
ᐃᓄᒃᑎᑐᑦ/inuktitut: ᓯᐸᐃᓂᑎᑐᑦ
日本語: スペイン語
Patois: Panish
la .lojban.: sanbau
ქართული: ესპანური ენა
Qaraqalpaqsha: İspan tili
Адыгэбзэ: Эспаныбзэ
Kongo: Kispanya
қазақша: Испан тілі
kalaallisut: Spanskisut
ភាសាខ្មែរ: ភាសាអេស្ប៉ាញ
한국어: 스페인어
Перем Коми: Эспаннёл кыв
къарачай-малкъар: Испан тил
Ripoarisch: Schpanische Sproch
kernowek: Spaynek
Кыргызча: Испан тили
Lëtzebuergesch: Spuenesch
лакку: Спанс маз
лезги: Испан чIал
Lingua Franca Nova: Espaniol (lingua)
Limburgs: Castiliaans
lingála: Lispanyoli
لۊری شومالی: زڤون اْسپانیایی
lietuvių: Ispanų kalba
latviešu: Spāņu valoda
олык марий: Испан йылме
Māori: Reo Pāniora
Minangkabau: Bahaso Spanyol
македонски: Шпански јазик
монгол: Испани хэл
кырык мары: Испани йӹлмӹ
Bahasa Melayu: Bahasa Sepanyol
မြန်မာဘာသာ: စပိန်ဘာသာစကား
مازِرونی: ایسپانیولی
Dorerin Naoero: Dorerin Pain
Nāhuatl: Caxtillahtolli
Napulitano: Lengua spagnuola
Plattdüütsch: Spaansche Spraak
Nedersaksies: Spaans
नेपाल भाषा: स्पेनी भाषा
Nederlands: Spaans
norsk nynorsk: Spansk
norsk: Spansk
Novial: Spanum
Nouormand: Espangnô
Sesotho sa Leboa: Sespan
Diné bizaad: Naakaii bizaad
Chi-Chewa: Chispanezi
occitan: Espanhòu
Livvinkarjala: Ispanien kieli
Pangasinan: Salitan Espanyol
Kapampangan: Espanyol (amanu)
Papiamentu: Spaño
Picard: Éspaingnol
Deitsch: Schpaanisch
Norfuk / Pitkern: Spanish
Piemontèis: Lenga spagneula
پنجابی: ہسپانوی
português: Língua castelhana
Runa Simi: Kastilla simi
rumantsch: Lingua spagnola
română: Limba spaniolă
armãneashti: Limba ispańolâ
tarandíne: Lènga spagnole
русиньскый: Шпанєльскый язык
Kinyarwanda: Icyesipanyole
संस्कृतम्: स्पैनिश भाषा
саха тыла: Испаан тыла
sicilianu: Lingua spagnola
davvisámegiella: Spánskkagiella
Sängö: Espanyöl
srpskohrvatski / српскохрватски: Španski jezik
Simple English: Spanish language
slovenčina: Španielčina
slovenščina: Španščina
Gagana Samoa: Fa'asipaniolo
chiShona: ChiSpanish
Soomaaliga: Af-Isbaanish
српски / srpski: Шпански језик
Sranantongo: Spanyorotongo
SiSwati: Sipanishi
Sesotho: Sespain
Seeltersk: Spoanske Sproake
svenska: Spanska
Kiswahili: Kihispania
ትግርኛ: ስፓኒሽ
Türkmençe: Ispan dili
Setswana: Sespan
Tok Pisin: Tok Spen
Türkçe: İspanyolca
Xitsonga: Xipaniya
татарча/tatarça: Испан теле
Twi: Spanish
reo tahiti: Reo Paniora
тыва дыл: Испан дыл
удмурт: Испан кыл
ئۇيغۇرچە / Uyghurche: ئىسپان تىلى
українська: Іспанська мова
oʻzbekcha/ўзбекча: Ispan tili
Tshivenda: Spanish
vepsän kel’: Ispanijan kel'
Tiếng Việt: Tiếng Tây Ban Nha
West-Vlams: Spoans
Volapük: Spanyänapük
Winaray: Kinatsila
Wolof: Wu-ispaañ
吴语: 西班牙语
isiXhosa: IsiSpain
მარგალური: ესპანური ნინა
ייִדיש: שפאניש
Yorùbá: Èdè Spéìn
Vahcuengh: Vah Sihbanhyaz
Zeêuws: Spaons
中文: 西班牙语
文言: 西班牙語
Bân-lâm-gú: Se-pan-gâ-gí
粵語: 西班牙文
isiZulu: IsiSpeyini