Bokin'ny Ekleziastika

Ny Bokin'ny Ekleziastika dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly katolika sy ortodoksa izay voasokajy ho isan'ireo bokim-pahendrena. Ny lohahevi-dehiben'ny boky dia ny Fahendrena izay anaovan'ny mpanoratra fitanisana ohabolana sy famelabelarana voalamina. Ny fatahorana an'Andriamanitra no fisehoan'izany Fahendrena izany. Izany dia nataon'ny mpanoratra mba hanoherany ny fihanaky ny kokontsaina grika (indrindra ny filozofia) izay mila hanototra ny kolontsaina sy ny fivavahana jiosy nolovana tamin'ireo razana. Ny Fahendrena dia sady reny no vady no anabavy ka ny fikatsahana azy dia fikatsahana an'Andriamanitra ary ny fiainana miaraka aminy dia fiainana miaraka amin'Andriamanitra.

I Jesoa zanak'i Siràka (hebreo: Yeshua ben Sira) no hoe nanoratra an'io boky io tamin'ny fiteny hebreo. Ny zafikeliny no nandika an'ilay boky ho amin'ny fiteny grika.

Ny Jiosy ny ny Protestanta dia tsy manao an'io boky io ho filamatry ny finoana (kanonika) fa mihevitra azy ho tsara vakina ihany.

Anaran'ny boky

Ny Bokin'ny Ekleziastika dia atao hoe koa Fahendren'i Bena Siràka na Fahendren'ny zanak'i Siràka izay hafohezina amin'ny hoe Siràka. Ny anarana hoe Siràka dia mety ho hita amin'ny endrika hoe Sirà. Ao amin'ny Volgata io boky io dia atao hoe Liber Ecclesiasticus na Liber Iesu filii Sirach ("Bokin'i Jesoa zanak'i Siràka") Amin'ny teny hebreo izy dia atao hoe ספר בן סירא / Sepher ben Sira ("Bokin'i zanak'i Sira").

Other Languages
català: Siràcida
čeština: Sírachovec
Deutsch: Jesus Sirach
English: Sirach
Esperanto: Siraĥ
français: Siracide
गोंयची कोंकणी / Gõychi Konknni: सिराक आचें पुस्तक
עברית: בן סירא
hrvatski: Knjiga Sirahova
hornjoserbsce: Jězus Sirach
հայերեն: Սիրաք (գիրք)
Bahasa Indonesia: Kitab Yesus bin Sirakh
italiano: Siracide
日本語: シラ書
한국어: 집회서
Lingua Franca Nova: Sirac
മലയാളം: സിറാക്ക്
Bahasa Melayu: Yesus bin Sirakh
norsk nynorsk: Siraks bok
norsk: Siraks bok
português: Eclesiástico
Runa Simi: Iklisiyastiku
srpskohrvatski / српскохрватски: Knjiga Sirahova
Simple English: Sirach
slovenčina: Kniha Sirachovcova
slovenščina: Sirah
Tagalog: Sirac
Türkçe: Sirak
Tiếng Việt: Sách Huấn Ca
Winaray: Sirac
ייִדיש: בן סירא